Psalms 36

Ny maharatsy ny miala amin’ Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy

Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah.

1

2Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe
Na: Misy filazana ny ao am-pon’ ny ratsy fanahy manao hoe:
: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.
3Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy. 4Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa. 5Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. 6Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao. 7Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo
Heb tendrombohitr’ Andriamanitra.
; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
8Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona. 9Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy. 10Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. 11Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo. 12Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy. 13Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
Copyright information for Mg1865